KAP DAH (kapoka sy daroka)
O. L (out law)
Dèpuis 1999,le groupe devient un grand clan.Composé de plusieurs groupes.
Rap Metaphysique (hardcore et hororcore)
Le Clan Tangala Mainty est composé aujourd'hui de 40 membres et plus..,qui suivent les règles du Clan.
FIANDOHAN'NY TARIKA
Ny fiandohan'ny tarika TANGALA MAINTY dia tamin'ny volana Novambra 1998. Notsoahana avy amin'ny fivondronana tarika anankiroa ( KAP DA sy O . L ) izay efa nitsangana taona vitsivitsy teo aloha. Marihina fa ireo tarika ireo dia samy efa nanana ny lanjany teo amin'ny fandalinana ny gadona " RAP ".
Enin-dahy no isan'ny mpikambana tamin'izany.
Fampiaraham-peo izay niseho tamin'ny endrika fiaraha-miasa fotsiny no natao tamin'ny voalohany, ary namoahana ny hira mitondra ny lohateny hoe: " Ny Lokon'ny Aizina " tamin'ny volana Marsa 1999.
Vokatr'izay anefa dia tapa-kevitra ny hitambatra ireo mpikambana roa tonta ary nampitondraina ny anarana hoe: " TANGALA MAINTY "
Mba hampisy hasina ny zavatra atao sy fahafenoana ny tarika dia nampiditra " rappeur " iray fanampiny ny TANGALA MAINTY ka lasa fito ny isan'ny mpikambana ( isa feno teo amin'ny finoana malagasy ) taty aoriana.
FILAZANA NY MOMBAMOMBA NY ANARANA
Ny anarana hoe " TANGALA MAINTY " dia avy amin'ny anarana mpanjaka atao hoe TANGALA MENA
, izay manjaka any amin'ny faritra Atsimo Atsinanan'i Madagasikara.
Nalain'ny tarika ny anarana mba entina hamelo maso ny fototra maha-malagasy sy ny fahitana ny hasina sy ny lanjan'ny fisian'ireo mpanjaka ireo eo amin'ny fiaraha-monina any amin'ny faritra. Ka ny mena novaina hoe mainty mba hanambarana ny firehi-kevitry ny tarika.
Ny hevitra fonosin'ny anarana
Ny antony nifidianana io anarana hoe: " TANGALA " io dia noho:
_ ny tehin'ny mpanjaka tangala mena izay manamarika ny fanakany, ny fahalehibeazany, sy ny fahendrena ary ny traikefa izay ananany amin'ny maha zokiolona azy.
_ ny tehina midika hoe andry fototra manamarika ny aina eo anivon'ny fiaraha-monina iray.
_ Eo ihany koa anefa ny dikany hoe: Hazo mpanjaka be ny tany
izay manan-kasina sy miaro eo amin'ny fiaraha-monina malagasy.
Ny loko MAINTY dia:
_ mifanaraka tsara amin'ny firehan-kevitra nosafidin'ny tarika izay tantarainy amin'ny ankapobeny ao anaty tononkirany izany hoe: mainty midika ho aizina, toe-javatra mifono mistery toy ny fahafatesana.
Ao ihany koa ny loko mitondra hery mampihorohoro sy miavaka amin'ny tontolon'ny alina.


